VITAKO FA ZANAKO (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Somary gaga ihany aho nandre ny hafatrao folo taona aty aorianaMbola tsaroako foana ilay avonavom-bava
Hoe vitako ny zanako fa tsy zaza tsy niriana io ka ilako fanampiana
Amin-dray tsy an’asa akory sy mpimamo lava
Sady …,
Tsy hita hianteherana ary tsy ilainy akory ! satria tsy marin-toerana
tsy henatra tsy tahotra ilay zanaky ny ngetroka
Niangaran’ny Mpahary,bikaina sady lafatra,manja fanaperana
Nianjona tsy handingana ny akaninay manetroka
Eny e…,
Mbola tsy mety adino fa ato andohako ato ilay esoeso sy kafara
Hoe vitako ny zanako, raha izay zaza iray
Tsy anambazako izay ray, saingy ankehitriny mantsy niova ny tantara
mbola tsaroana tsara folo taona lasa izay
fa izao e
Tsy fombanay mihitsy ny manary anaka ,moa ilay vavitokanay
Mihanta ratsy ery hoe te hanana anadahy
Ka mety tena mety !tsy miamboho adidy aho, raha tsy vitanao indray
Dia alefaso aty ny zanako ! fa vitako iny ny ahy !
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana