Vontosy (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vontosy amin'ny diloilo Ilay faritra an-tapon'ny loha
dia kikiso hiendaka tsara ireo tovona taikombindoha
fa inoako tsy aharitra ela dia hikatona lohamalemy
fa tsy voatavo matim-pandraka no mailaka hitondra teny

impiry nanenjika anao hatrizay moa rafahendrena ?
saingy ianao moa mirifatra , mandositra mahafaty tena
amin'ilay hafainganam-pandeha mihoatra ny zato isan'ora
tsarovy fa ireo izay mitehaka no mivadika ho mpanakora


Nahoana no mararin-teny kanefa dia tia mitankarina ?
Fehezo tsara ny lela, mandanjà amin'ny mizana marina
impolokely no miantsoantso te ihavana rafahendrena
dieny mbola tsy tara,manenena dia miverena

tsiolaka
in V'aingan-ts'hira
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
45 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 02/09/2024 12:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145