You are here: home > Vetso

- Tsitohaina Mamitiana

Azo vakiana?

     "NOFINOFY"
Ireo nofinofiko hatrizay,
Ny hoe iaina am-pahasambarana
Ilay nametrahana tanjona iray;
Izay efa namafisina hatrany am-pianarana

Nandeha ny andro nihodina ny taona,
Niezaka ny nijoro sy nitraka
Na dia nisy aza ireo nandatsa;
Ny fanantenako koa tsy mba ho foana

Nofinofy toa mbola tsy fantatra ,
Na koa hoe "ankamantatra"
Fa mba nofinofy hitondra ho aiza anefa ?
Na koa hoe aiza no hiantefa.


Ilay nofinofiko taloha,
Angamba tsy ho tanteraka avokoa
Fa ampetrako @'lay Ray,
Izay anjara mety ho ahy..!!

Hametraka hevitra

Midira aloha