TSY ANJARA (Tsitohaina Mamitiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ANJARA

Tsapako tokoa,
Fa tsy anjarako ianao iny
Nefa tsy ataoko ampiasa loha
Zay lasa vitantsika fahiny

Tsy anjara ngamba ny antsika
Matoa misy foana ireo disadisa
Ny tsara ngamba dia izao
Misaraka tsotr'izao

Isanandro enao
Milaza fa tsy tamana
Tsy maninona fa mandehana
Fa ny fitiavana akory tsy kilalao

Dia samy vita hatreo
Tsy nisy fahatsiarovana tavela
Satria ita fa samy leo
Ka tsisy niteny hoe miverena
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2052 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108