You are here: home > Vetso

TSY HAIKO INTSONY - Tsitohaina Mamitiana

Azo vakiana?

          TSY HAIKO INTSONY

Tsy haiko intsony
Na adala aho na misaina
    rehefa miaraka aminao
Tsy haiko intsony
Na efa maty aho na miaina
    rehefa tsy eo anilanao

Tsy haiko intsony
Na mitia aho na mankahala
    ny fihetsiky ny foko
Tsy haiko intsony
Na Rahala na Malala
    no anaranao vetsoiko

Tsy haiko intsony
Na mitsiky aho na tomany
     amin'izao fotoana izao
Tsy haiko intsony....
Fa ny mahatonga izany
     dia satria IZAHO.....IANAO !

Sokajy : Fitiavana, tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha