You are here: home > Vetso

FANANTENANA - Tsitohaina Mamitiana

Azo vakiana?

  FANANTENANA

Ny fanantenana no afo mandoro
ny fanadinoana izay fatra-pijoro;
Nariako ny foko tomanin'ny tiako
ho endrika nofy hosangisangiko

Fitiavana mamy tsy foina hijery
matoa mitomany ny fo manirery..
Tobahako saona ny herim-pitia
mba ho haharitra ho doria

Faran'ny sentony felan'ny vony
Manakoako ny fanadinoany
Hery mitsotra no tsinjoko foana
Maka ny lasa tsy tsarotsaroana!

Hametraka hevitra

Midira aloha