You are here: home > Vetso

" VOADY " - Tsitohaina Mamitiana

Azo vakiana?

         VOADY
Faniriako atrizay ka atrizao;
Ny mba hitoetra eo anilanao
Hifampizara ny soa sy ny tsara,
Sy izay rehetra lalovantsika any afara

Ka hitana ilay voady iray,
Izay nataonao ho porofom-pitiavana ahy
Fa tena tia anao irery ihany ,
Rah mbola miaina ambon'tany

Hifanaja sy ifankatoa,
Amin'izay rehetra teny avy ao am-po
Hoe anambatra ny fo ho iray;
Satria ny antsika iriana ho mandrakizay

Hiaran-tsambatra raha misy fifaliana,
Hiara miory raha misy fijaliana
Ary tsy adinoina'lay teny iray,
Zah ho anao ary ianao ho ahy!!!

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha