You are here: home > Vetso

FITIA VOARARA - Tsitohaina Mamitiana

Azo vakiana?

   FITIA VOARARA       Ny fitia dia toy ny afo;
Kanefa tsy mba vidina lafo
Mino aho fa ianao mahalala tsara,
Tsara fiandohana,fa kosa ratsy fiafara

Eo ihany koa ireo tia andrakandrana,
Ka manao ireo tsy fanao
Tadidio fa ny lasa tsy miverina,
Ka sao vita ny natao vao hanenina

Ny fitia mampisento ,mampitomany  
Ka iangaviko ianao aza miditra @'zany
Izao ankehitrin'zao mila fandavan-tena;
Sao mantsy voa vao mitady famonjena

Aleo tonga tsara ny fotoana;
Fa ny anjaranao hoavy eo foana
Aza kivy aza malaina,
Fa ianao tsy hiala maina

Aza malahelo mazoto,
Fa tsy maintsy hifanena foana ianareo roa....!

Sokajy : fananarana, Fitiavana

Hevitra mandeha

andrinaivopaul2016 (19/11/2016 11:20:54)

marina ranga izany a!

Hametraka hevitra

Midira aloha