RATRAM-PO (Tsitohaina Mamitiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RATRAM-PO

Ilay fitiavantsika roa,
Tsy mba toy ny taloha,
Fa toa nanjary niova loko,
Mino aho fa tsy fahadisoko.

Mafy ny rah nianako,
Satria tsy teo ianao mba hitarainako,
Mahatsiaro tena irery aho @'zao,
Ity foko te ho eo anilanao.

Tena vitanao tokoa ny nandao,
Tsy tsapanao izaho niangavy nitalaho,
Ny ratram-po mameno sy mibahana ato an-tsaina,
Izao angamba ny zioga ho lanjaina.

Hiezaka ny hijoro sy hitraka,
Hionona aho , hamafa ireo ratra
Izay sisa mibahana ato an-tsaiko,
Anio ihany ireny dia ho fafaiko...!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1871 1
Hevitra mandeha
andrinaivopaul2016 ( 06/11/2016 12:34)
Mba ho zaka ve 'zany?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144