You are here: home > Vetso

Ny Hira - Vahatraina Oméga

Azo vakiana?

Ny Hira

Misy zavatra iray sarobidy
Fiononan'ny ory ampanahy,
Fisambaran'ny tojo mangidy,
Mpanafana ny ngoly tsinahy,
Dia ireo Hira mpanala ny seto,
Dia ireo Hira fikalo ny fo,
Fa raha mbola amin'ny fiainana eto
Tsy maty io fa lovasoa.

'Reo niangaran'ny vintana roy
Ka darofan'i rafahoriana,
'Zany Hirany anie mba henoy
Misy ampahany iray fifaliana,
'Reo nilaozana fa olon-dresy
Nandosirana sy nialana,
'Njo ny feony mifanesisesy
Mikalo ilay Fanantenana.

Vahatraina Oméga (Zozoro)