Vavaka ho an'ny Nosiko (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka ho an'ny Nosiko

Zanahary ô!ry Andriamanitra inoko,
Mba jereo re ka angoray ity taniko tsy foiko,
Fa tena trotraky ny jaly, mitalao re ka vonjeo,
mba henoy ny fitarainana, ny fangatahana hekeo.

Mba aoka re izay ireto onjam-pijaliana
Fa mba atolory kosa na dia hoe : sombim-pifaliana,
Fa tena reraka tokoa fa mavesatra ity mianjady,
Koa toa kivy ilay aina kely izay mba sisa enti-miady.

Tiana loatra izy io ka tsy foy hangahiahy,
Nefa be ny hetraketraka ataon'ireo jiolahy,
Nefa na izany aza, dia aza hariana re ry Ray,
Fa mba jereo e! ka hiantrao ity Tany maminay.

Mba aoka re izay, iangaviko indrindra Ianao,
Ny fahantrana, fahorina mba halaviro, hakipao !
Mitoreo anie ity Tany ka Ianao no iantsapazana,
Koa hareno re ry Tompo ity Nosy, Tanindrazana.

Vahatraina Oméga (zozoro)
--------
Rohy:
1596 2
Mpakafy: zaraiko - blanc
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185