ANJARA VE? - VALE
Azo vakiana?
Indraindray miezaka manamboatra saina
Tsy mety fa tonga foana lay hirifiry
Indraindray manao izay mba hampifaly
Fa eo foana ilay ngidy sy ilay jaly
Tsara ve ny miaina?
Mitady izay mba vahaolana ialàna
Fa tsy mety tsy afa-miala
Diso tafahoatra ve lay fandeferana?
sa ny hetraketrakao no efa tsy manam-perana?
Tsy maninona fa hozakaiko, ho lanjaiko
Ity hazo fijaliana, tsy ahitana fifaliana!
Soa fa mino aho fa misy ny "anjara"
Ka izay manao ny tsy mety aoka ho tsarain'ny tantara!
Fa raha tafiditra tanaty ny velam-pandrikao aho
Tsy sanatria akory habadoana
Fa mba nitady ilay fitia
Ka ekeko fa ianao angamba izany no efa anjara!
Hevitra mandeha
boubounezy (03/12/2005 20:30:34)
tsy anjara kia fa njy no tena tia, ka atao aona moa fa njy ary zany efa vo!
vale (03/06/2007 08:04:49)
hihi, ny tampoka tsy mana vhv akia bbn an, hihi!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : VALE
Nampiditra : valeDaty : 03/12/2005
Mpamangy : 1565
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mon amour d'étranger!Tu es "'amour!"
Fitia tsy mety levona
Si je savais!
PARDONNE MOI
L'AMOUR
FITIA ADALA
LAVITRA ANAREO
ESORY RE RY RAY