Fitia tsy mety levona (VALE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa loatra fa tsy ho haiko
ny hanadino ilay endrikao
tsy mbola nisy fihetseham-po
nahery raha tsy ny nitia anao!

Fa toa anananao daholo, na ny bika, na ny endrika,
fahaizana miresaka, indrindra fahatsorana,
resinao aho, tena rendrika!

Ny talenta koa tsy hafenina,
io aza no nampifanojo taminao,
mbola isany nandavo ahy tsy nanenenana
satria tena anananao!!

Asa loatra re, izany ve no atao hoe "tia"?
izay rehetra hiriana, nanananao daholo,
Firazanana iombonana,lay endrikao koa tena "fy"!

Indrisy anefa fa toa mijanona,
ho nofinofy sy fahatsiarovana,
ny nahalalàko anao malala,
MANDRAKIZAY, tsy hohadinoina!!

Na dia hohadinoinao aho,
satria fitia toa kilalao!
ny tato ampoko nefa tena matotra,
ilay fitia nomeko anao!!

Ka mbola haveriko eto indray,
fa tsy haiko ny hamafa,
ilay foko mitempo anao,toa mijaly sy maratra,
ilay afo tsy ho levona!!mandrakizay!
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1915 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VALE
Nampiditra : vale
Daty : 11/06/2006 00:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156