You are here: home > Vetso

ESORY RE RY RAY - VALE

Azo vakiana?

Esory re ry ray
Ny hetraketraky ny tany
Atanjaho , ampaherezo
Izay ory sy tomany!

Fa maninona no miangatra!
Ity fiainana eto an-tany?
Fa maninona no matanjaka
Ireo mpanao zay tsy manjary?
Esory re ry ray!

Toa izay miezaka hahitsy
Tsy mahita rariny mazàna
Fa ireo maditra tsy mitsitsy
mampijaly tsy miambahamba!
Esory re ry ray!

Na dia misy aza izany
Na kivy koa zaho natomany
Hionona anefa
Fa ianao ray mahefa
Esory re ry ray!

Ny mba vavako eto farany
Any indray andro any
Ireo miandrandra anao hatrany
Handova lay fitia tsy mety lany!
Esory re ry ray!


Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

bichette (15/12/2005 10:17:18)

Matokia aky a !

vale (12/11/2006 02:29:14)

Saotra aky Bichette a!!

Hametraka hevitra

Midira aloha