Alina adala (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noheveriko ho ampy ireo taona nandalo,
Ireo volana maro sy andro nisesy,
Tsy ahatsiarovako anao!
Kanefa toa vesatra iray mihalohalo,
Ny anjara-masoandroko manaiky fa mety,
ny hamoizako anao,
Saingy indrisy,
vao iny iny lasa milefa sy dify dia...
Tonga migafy, misompatra foana,
'lay alin'ny jaly,
Nefa hanontaniako tsy mety mamaly,
Hoe inona loatra no tambi-karamany,
Sa izaho 'lay mifaly va re no tsy tiany,
sa ny misiko mihitsy no tena efa halany?

Fa ianao, ry olo-namitaka loatra ny foko
kasaiko hadinoina,
Fa tonga ilay alina dia indro tsaroina,
Efa naleviko anatin'ny lasa,
Tahaka ireo ratra sy fery sy rofy,
No indro fohazin'ny alina 'ndray
ka ahevahevan'ny anatin'ny nofy .

Nahoana ry alina raha mba sakaiza
manaiky ho namana ifampizaràna,
Fa tsy ho faly hanohitra foana
Ka ho fahavalon'ilay hazavana.

Sary efa kilan'ny androko lasa
Tsy tiako hiverenana intsony ho jerena,
No ateriterinao isaky ny alina
Ambony fandriako izay fialako sasatra

(...)

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Alina
109 2
Mpakafy: ArantaTsyFoiko - hery
Hevitra mandeha
ArantaTsyFoiko ( 30/07/2024 12:50)
tena tsara le inspiraka, enga anie ka juste oe tsy miaina amle passé tsony fa manimba fo a
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766