Aloka (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sento foana foana
No aloka navelan'ny lasa sy ny omaly
Mandrava sy manimba ny fiainako androany
Namela ratra maro ny foko izay mijaly,
Manosika ny tavako irotsaka tomany
Manery ahy koa isaona

Intsony mihitsy angamba
No tsy mba hitony sy hanam-pilaminana
Ny andro izay voatendry natolony ahy ho anjarako
Raha aloka sy zavona no indreny mifaninana
Miroso ho lohalaharana hitambatra ho tantarako
Sy tsy manaiky ho banga

Dia tsiny avy aiza zany
No atolony ahy raha iny aho fa mikasa
Hamafa izay voasoratra amin'ny pejy zay nomeny
Handao sy iala ety, hizotra ary iny lasa
Tsy mba hisafidy ny lalana kendreny
Voasoratra eto an-tany

15-12-23
V andja
--------
Rohy:
108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145