Andrasako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soratako ho anao ity tononkalo ity
Omeko tsy atakalo amin'ny foko manontolo
Hanamporofoiko fa vao ato ilay fitia
Natokako ho anao, tsy misy mahasolo


Taona vitsivitsy, izay no efa lasa
Namelanao ahy hiandry lalandava
Nefa ilay ampoko tsy akory hoe voafafa
Fa mbola velona ato, ambarako mazava


Ka na tsy fitoviana, ekeko izaho ambany
Na ny elanelan-tany, na ny elanelan-taona
Dia tsy hahavono fa hiredareda hatrany
Ianao ilay samirery, Ianao ilay tiako foana

Ka na tsy tia ianao, na koa hankahala
Andrasako eny foana f' inoako indray andro any
Ho maminao ny miaina, antsoiko hoe malala

Fa na tsilo, na koa bozaka, na fehim-bonikazo
No atolotrao, ho setrin' ny fitiavako
Dia ho karakaraiko, tsy havelako halazo.
Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
112 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015