Antso (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza izany teny,
Aiza koa ny soratra,
Aiza ireo mpiteny,
Aiza ireo mpanoratra??

Antso avo, hiaka mora!
No ampitaina isan'ora,
Ao ampon'ireo voafidy
notolorana talenta.
Hanan_jo tsy very lasy
ireo talenta malagasy,
Ary iangaviana koa
mba andramo akaro lenta,
Hanandalana hizorana
ao am-pon'ireo tolorana,
ny fahaizana milaza,
mitantara irony fiainana;
entina hanefena fiainana
izay avy norantovina
tany an-tanin'ny fanahy.
Ary iangaviana indrindra,
hitalahoana an-tanandroa
ireo rehetra afa-mandrindra
ny teny soa sakafontsika.

Izany no antso, izany no hiaka
Aparitaka ho re,
Antso iva fa lehibe!
--------
Rohy:
239 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172