APETRAO NY AHIAHY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'izay rehetra atao, dia ilaina foana ho sahy,
Sady vonona ny handroso hahatrarana ny tiana.
Fa raha resaka fitiavana, aleo asiana ny ahiahy,
Hisorohana ny nenina mety hitranga any aoriana.

Aza manam-pikirizana na koa miezaka mitia!
Aza manantena fo hitepo anao ny manontolony !
Aza manome ny toky, indrindra moa fa ny ho doria!
Aza minomino koa izay teny rehetra atolony!

Raha tsy vonona ho tiavina sady hahafoy izay tiana,
Raha tsy misy voady mihitsy hamatorany ny lelany,
Raha tsy vonona hijaly, hitia anaty tsy fisiana,
Raha tsy fantatra avokoa ny toetra anatiny sy ivelany,

Dia hisy ilay fitiavana : hanjaka hatrany anaty fo.
Dia hisy ilay fanantenana : tsy ho rava mandra-maty.
Dia hisy ilay fahasambarana : fitiavana henika ny soa.
Dia tena hisy paradisa : ''voady vita fatomaty''.

Vonjisoa ANDJANIRINA
(19 martsa 2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
111 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144