AVELAKO HO ANAO - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Atambatro ho iray ireo samihafa maro
Ireo niarahantsika niaina hatramin'izay
Ireo izay tsy nitovy dia eto no hafangaro
Ireo faka maromaro, ho fototra iray
Ny tsiky natamberin'ny molotrao ireo
Soratako ato am-poko mba ho sary miaina
Ataoko kalokalo no sady asiako feo
Vao ampodiako any ho azonao hiraina
Ireo minitra mamy niarahana nandia
Ireo ora sarobidy niarahana nandalo
Soratako amin'ny penina, dia omeko anao satria
Diarintsika ireny no nataoko tononkalo
Na ny andro izay nanjombona, niaraha-nitomany
Na ny faharesena tao anatin'ny ady
Sarobidy ireny ka soratako ato ihany
Fa vona manamafy ny tohin'ilay tady
Niainantsika ireny, atao anaty diary
Fa tsy azo natakalo, nafindra na soloina
Ka dia nosoratako, nasiako feo sy sary
Mba tsy ho voafafa intsony, mandrakizay tsaroana.
Vonjisoa ANDJANIRINA
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 01/12/2020
Mpamangy : 414
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
MBA TSIDIO
Ito soratro ito