Denariako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho Raiko 'lay tsy taitra, tsy nandefa ny vinaniko
tamin'ny antsonao niangavy sy nikasika ny foko.
Indrisy ny akon-dakolosy nikaroka ahy tanaty akaniko,
tsy nasiako sira akory izany feonao ry Tompo,

Na ny ora fahatelo na ny ora fahaenina,
tsisy nahatsaroako akory izay ho fanoloratenako,
indrisy ity fahadalako, ny fanahiko marenina.
Niery ny antsonao hatrany ka nitady izay iafenako.

Nefa izany kosa Ray tsy nataonao tsy hamelana,
Ity ninia tsy niova fo, raha tsy tamin'ny Ora farany,
Novelominao finoana, nomenao fanantenana,
Maimaimpoana tsy vidiana, tsisy onitra na sarany.

He ty ora fiverenako, noheveriko efa tara,
sarobidy taminao ka niarahanao hanompo,
Tsy nataonao latsa-danja, notoloranao anjara
Mba ho isan'ireo mpiasa ato an-tsahanao ry Tompo.

He izany fahasambarako, fifaliana ho ahy hatrany.
Fa ny tambin'ny karamako tonga tamin'ny fara ora,
Fatra feno sady tsapako: denaria sahala ihany
toy ny an'ireo talohako, efa niasa ora maro.

''ilay lapa tsy voavidy na koa azoko sandaina:
Lova soa atolotrao ireo olonao voafidy,
Denaria mandrakizay, sady tsy azon'iza ovaina,
Io no sanda atolotrao, 'ilay tanĂ na sarobidy' ''


Vonjisoa ANDJANIRINA
3003320-21 -04 -2024.
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
121 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108