DINAM-PITIAVAKO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINAM-PITIAVAKO

Na misy iray mangarika
Na misy roa tsy tia
Na hisy telo hialona
Na misy maro hanenjika

Dia ity no marika
F'isika hiara-dia
Hiroso hatramin'ny lalina
Hahery tsy ho rendrika
Ilay fon'ny fitiavana
Iray iombonantsika
Itempo mandra-maty
Ampoko sy amponao
Ilay afon'ny fitiavana
Tsy havela hangatsiaka
No hanenika any anatin'
Ny fiainana vaovao
Aorintsika anio

Henika hasambarana
Ny foko mahalala
Fa ianao no tokana
Tsy misy mahasolo

Hiaraka ho doria
Sy tsy hisaraka amiko
Hisedra, hamakivaky
Ny lalamben'ny fiainana

Tsy volabe tsy harena
Fikatsaka isan'andro
No nampiray ny fo
Sy iraisantsika Dina

Fa fanahy sy fahendrena
Tsy vasoky ny andro
Niombonantsika roa
Hatramin'izay ry Tiana


Ka ny teniko eto anio
Tsotra fa mafonja
Dia indro ny fitiavako
No elatra hitondra
Ny tsiky sy hasambarana
Fifaliana ho anao
Sy soratra tsy maty
Natokako ho anao

Dia matokia ry tiako
Aza manahy rahavako
Fa ho anao irery
Ilay dinan'ny fitiavako

Vonjisoa-Andjanirina
24 09 23
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
327 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148