Fanekena (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry misiko nomena!
Izao no fanekena :
Ho lalaiko ianao,
Ho andrianiko eto,
Tsy ho ilazako mandao,
Tsy hilazaoko misento,
F'ireto izato tanako,
Ny saina, fo ananako,
Ho entiko miady,
Milofo sy mitady,
Izay ho fahasambarana
Hitako any ho any,
Ireo izay mety ho tsiky
Hamafa ny tomany,
Hampitraka anao.
Hosoniaviko eto,
Ho dina vaovao:
Fa na mandao ny namana,
Na manary ny havana,
Ny malala hamitaka,
Ireo tsy tia hanenjika,
Ny mpankahala hialona...

Dia izao no dinako:
Ianao ry misiko,
Hokoloiko ho lisiko,
Na iadiko irery
Tsy misy mampahery,
Fa ianao no akaniko,
Ianao koa no omaliko,
Anio sy ny marainako,
Ianao no zaridainako,
Ianao no fofo-manitro,
Ianao no Andriamanitro.

Izaho no handre anao,
Izaho hitia anao,
Tsy miandry ny hafa isika,
Izay tsy tia antsika,
Fa hijoro ho sahy hiady,
Ho an'ny tenatsika,
D'ilay ianao sy izaho,
Roa f'angamba iray,
Dia ianao ry fiainako,
Ianao r'ilay lalainako,
Ka fitia tsy noterena,
Ireto fanekena.

Vonjisoa ANDJANIRINA (23/11/2025)
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
26 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119