Felam-boninkazo kely (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Felam-boninkazo kely monja ihany,
Dia ampy hanadinoiko ny tsy nety vitanao;
Tsy mila akory sento, talaho na koa tomany,
Fa mialohan'ny nandehanako aho efa namela anao.

Tsy mila ranomaso sy ny tenanao miangavy
hanatona ahy intsony, aorinan'izao.
Fa ny fangatahako, mba hahasoa ny ho avy
dia singam-boninkazo iray avy aminao.

Tsy mila mahatsiaro na mamadika diary,
na koa hoavy hifona vao hamela anao ny lasako.
Fa tsangambato iray tsy mila ampiana sary,
Sy voninkazo iray no ataovy eo amin'ny fasako.

Tsy mila misahirana manafy lamba maro
ny nofoko ho rava, ny fitiavanao.
Fa felam-boninkazo iray tsy mifangaro,
Ho entiko milevina, misaotra indrindra anao.

Vonjisoa-Andjanirina

15 -04 -2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
205 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151