Foko lapan'ny fitiavana (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fitia midira
Anaty foko ianao
Ka mamorona hira
Hikaloako anao

Manaova lapa mamy
Ao anatiko ao
Mba ho soa hatrany
Sy efitra vaovao

No toerana hampanjaka
Anao ka ho doria
Ny foko re no lapa
Ho anao r'ilay fitia

Ry foko ampandrosoy
Ilay fitiavanao
Ka raiso ilay salohy
Natolotro ho anao

Andjanirina V.

25151922118
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148