Hajanoko ho nofy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hajanoko ho nofin'ny torin'ny marainako
Izany hasambarana niriko ho anilanao
Ho foanako ny tanjona ambon'ny fisainako
Hiova lalan-kafa tsy misy dia-nao.

Hajanoko ho nofin'ny torimason'ny alina
Monja ihany sisa ny te hahita anao
Fa toeran-kafa indray no irosoako lalina
Dia fonenan-kafa tsy hahitako anao.

Hajanoko amin'ny nofin'ny tsy fahatongavan-tsaina
Ny hanambatambatr' ora hamisavisa anao
Fa tanjona hafa indray raha tonga ny maraina
No efa ho banjiniko, tsy misy sarinao.

Fa ataoko nofinofy sy tanjona tratrarina
Ny handroso samirery, tsy miankina aminao
Ny ambony indrindra iray, 'zay tiako ho takarina
Dia fiainana mizotra, tsy anaranao.
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
251 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147