HANDEHA AHO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa aho ka handeha,
Fa mialohan'ny andehanako:
Hatsotrako ny tanako
Hanao veloma anao.

Fa mialoha izany,
Ho faranako ny eto,
Hatsahatro ny sento
Izay azoko tatÿ.

Tsy ataoko tsapa akory
Fa rahona efa maro
No nanaloka tatÿ.

Dia ankoatr'zay,
Ataoko tsara fafa
Ilay endrikao
Misoritra ato antsaiko.

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
62 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168