Hangiana (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hijanona aho tsy hanoratra, apetrako ny peniko
Na dia mbola vitsy aza izay lasa vita izay
Hakomboko ny molotro, hatsahatro ny teniko
Tsy hiteny aho fa hangiana sy hiaino kosa indray
Sy handinika ny lasa

Velariko ato antsaiko ilay boky iray matevina
Mpandray sy mpitahiry ireo fiainan-tsarisariko
Fongariko eto anio ireo lasa efa nilevina
An-taona marobe tanatin'ny diariko
Tsy nisy iray voafafavoafafa

Ilay fahoriana mafy niainako taloha
No andaniako ny ora sy andaniako ny alina
Izy ilay nandao natory tsy nifoha
Verenako tsiahivina anaty sento lalina
Sy anatin' ny fanahy

Dia ho tsaroako koa, tontolo mavamavana
Ilay nisambaranay tanivon'ny fitia
Dia Ora mamy indrindra niainanay fitiavana
Verenako hitsikiana am-po tokoa satria:
Navelany ho ahy

Ireny fiainan-tsarotra niadiako irery
Ireny ranomasoko tsy nisy afa-namafa
Ho hadiniko avokoa tsy asiako iray zay vert
Mba hahalalako marina izay hafatry ny lasa
Anatin' ny fisainako

Ny pejin'ito bokiko mbola havadibadiko
Hahalalako tsara ny zotran'ny tantarako
Ka vonona aho hanefa izay anjara saziko
Na anaty fahoriana, na anaty fahasambarana
Handravaka ny fiainako

Vonjisoa-Andjanirina
--------
Rohy:
298 1
Mpakafy: Lasyiray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147