You are here: home > Vetso

Heviny hafa - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Manjombona atoandro ny fiainana lasa
Mandrivotra mora, maneri-manify
Mandena hanafoana ny zava-kinasa
Mitsara-maneso ('lay) masoandro nidify

Misento ny fo sady latsa-tomany
Misento mora mikasa hisaona
Fa andro manjombona indray andro ihany
Dia ampy nanova ilay lohantaona

Ny hany tsy tsapan'ilay fo nangaina
Dia 'lay raozy mena izay nampaniriany
Raha anjara-masoandro no mba nantenainy
Dia erika kosa no an'lay tiany

Nisaina ho ratsy ka latsa-tomany
Kanefa ilay raozy voavoly fahiny
No nampatsiahy fa hoe fiainana izany
Fa efa voatondraka indray ka naniry.

Sokajy : embona, fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha