Hiady isika (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maintsy hiady isika, fisika no vahoaka,

Raha mbola misy marina kasaina mba ho avoaka
Raha mbola misy sento avy ao ampon'ireo vahoaka.
Raha misy ny alahelo ferana tsy hitroatra.
Andeha hijoro tsika hanohitra an'izany.

Raha misy ny tsy rariny mitranga hatrany hatrany,
Raha misy tsisy tsiny mirotsaka tomany,
Raha misy ny hazo lena nahosina amin'ny tany.
Tsy maintsy hiady isika hanohitra an'ireny.

Raha misy ireo tsy moana sakanana tsy hiteny,
Raha misy ariana zo eto amin'ny fireneny,
Raha mbola misy hosena anatin'ny halemeny,
Tsia, tsy hanaiky isika fa hitolona eny foana.

Raha mbola misy fonja mamefy sy manidy,
Mametra sy mandrara ny fanehoan-taraina,
Raha mbola misy sakana mametra tsy hisafidy,
Hanaisotra ny aizina hisolo ilay maraina,

Tsy maintsy izaho sy ianao no solon-dakolosy,
Hanaitra ireo matory nampandriana anaty nofy,
Ka tsy mahita akory izay zava-misy marina,
Fa notakona-maso amin'ny sary amboarimboarina,

Isika no mitady ny rariny ho azy ireny,
Isika no miady ny tolona tsy vitany,
Ny marina tsy fantany, isika no miteny,
Isika no haneho ny zava-misy tsy hitany.

Hanala ireo molaly manakona ny marina,
Hanaisotra ny vovoka manafina ny rariny,
Hanoratra ny hevitra tsy misy sahy milaza,
Hamboatra firenena mandroso sy mazava.

Hanototra ny avelonny lainga tsara lahatra,
Hamono ireny oroka feno fitapitaka,
Handrava ireny fasanireo mahery fo,
Hanangana fanevanny fitolomantsika.

Ho sarotra ny lalana mety hizoratsika,
Mety ho voatsindritsindrinny mpanjakabenny tany,
Mety hisy hanakana sy hitorabato antsika,
Fa sahia ho maritioranny soratananao.

Ka aza avily lalana ny rangotsoratrao,
Raha toa ka misy rariny mety mbola hipìka,
Raha toa ka misy marina tsy voambaranao,
Sikino izany hery fa tsy maintsy hiady isika.

Vonjisoa Andjanirina (07-03-25)
--------
Rohy:
Sokajy : Tolona
158 3
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto ( 11/03/2025 09:18)
Tsara be! fa kosa mba misy toro hevitra kely:
Rehefa hitanao fa hevitra marina sy tena misy sy miseho dia aza hitakiana fepetra amin'ny alalan'ny teny hoe "RAHA"

Ny antony? Satria mpitolona ihany koa ianao ao anaty asa soratrao fa tsy mpanoratra sy mpijery fotsiny ihany (tsy hoe mpanara-maso) tsy ""ARBITRE""

Tsara be ilay kalo.
Vonjisoa-Andjanirina ( 18/03/2025 05:38)
Voaray izay fa misaotra ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0161