Hivavaka (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô!

Hivavaka aho anio
Fa te hisaotra Anao,
Noho ireo fitantanana
Nampandresenao ahy
Namakivakivaky ny onja
...

Raha sarotra ny lalana
Dia indro Ianao nitondra,
Nampita izany tenako
Tsy ho ravam-pahavalo
...

Tsaroako etoana koa,
(Ny foko anio mivalo)
Nikasa hamaly famaly
'reo tafi-pahavalo,
Tsy niera taminao
...

Andriamanitra ô,

Volaniko eto anio
Na efa fantatrao ;
Ny ratra sy ny fery
Tavela ato am-poko,

Noho ireo olo-tiana
Mpiatsara ivelatsihy
Namitaka ahy matetika.
Mafy ireny, mafy,
Tena nijaliana.
Nefa kosa Ray
Apetrako aminao,
Ny anjara famaliana...

Andriamanitra ô,

Ianao no tiako hameno
Ny efitry ny foko,
Nialan'ny malalako.
F'andrao izy miverina
Handratra ahy fanindroany.

D'izany no hetaheta
Entiko aminao,
Ry tokana Andriamanitro!

Vonjisoa Andjanirina
(25 04 23)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
89 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148