ho avahako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho avahako ny mangan'ny lanitra tandrifiko,
Ho avahako ny maintson'ny ravin'ito lisiko,
Ho avahako ny mevan'ny felam-bonikazoko,
Ho avahako ny tsiro mamin'ny voankazoko.

Ho fidiako tsara izay mety hitondra soa,
Ho alohako ny tsaikany,
Ho dorako ny mainany,
Ho ariko koa ny faikany.

Tsy ampiako tambitamby,
Tsy ataoko sangisangy,
Ny rahona manamaizina,
Ny ravina te ihintsana,
Ny voa mangidy fara,
Tsy ahy mihitsy ireny
K'halohako avokoa.

07.02.26
Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
262 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 16/03/2026 10:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119