Ho indramiko (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy ande ho indramiko
Ny soratananao
Ho entiko mamoaka
Ny takona ao ampoko

Etsy mba ho indramiko
Ireo teny mahaliana
Voasafidinao
Ho antsaina an-tononkalo

Etsy mba ho indramiko
Ho entina amaboana
Ilay safidy iray
Tsy sahako amborahana
Ny hevitry ny foko

Etsy mba ho indramiko
Alefa antaratasy
Hamangy ilay tiako
Tsy mahalala akory

Etsy mba ho indramiko
Fa ngamba mety hitovy
Ny eritreritrao
Sy ny tanjona ho tratrariko

Etsy mba ho indramiko
Ny soratananao
Ho entiko mamoaka
Ny takona ao ampoko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0527