You are here: home > Vetso

IANAO - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Sakaiza a!
.
1.
Ianao nitsabo ratra
Nanala sorisory
NAVALONAo ny lasa
Mba tsy tsaroako intsony
.
2.
Ianao ilay sakaiza
NandRAVAKA ny fiainako
Tsaroako n'aiza n'aiza
Fa HAINGOn'ny fisainako
.
3.
Ianao ilay SALOHY
Nisedra izay nidona
Enga anie hitohy
Ny FITIA izay noKOLOINA
.
4.
Ianao ilay voninkazo
Iray tsy hadinoiko
Fa FELANA tsy halazo
Mitoetra tato am-poko
.
5.
Ianao ilay tena namana
Ekeko ho miara-MIARY
Ka na ory na tsy manana
Intsony tsy hifanary
.
6.
Na misy ny tomany
Na RIVO-baovao
HaNJAKA anie hatrany
Ny hoe IZAHO sy IANAO
.
7.
Ny foko nitaraina
Teo ianao namonjy
Misaotra SOMBINIAINA
Misaotra ANAO i VONJY
.
ATOLOTRA HO ANAREO NAMANA REHETRA, AZA MANADINO.
.

Février 2020.

Hevitra mandeha

hery (06/02/2020 23:20:08)

Ôh tsy ao ny anarako

Vonjisoa-Andjanirina (08/02/2020 14:25:42)

Ito ny an'i ,Hery' ko

Anarim (10/02/2020 16:39:48)

I sefo kosa angaha moa dia ho tononina foana???
...tsy misy fisaorana Vonjy... (Hihihi)

Hametraka hevitra

Midira aloha