INY ALINA INY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny alina iny...
Na dia maizim-pito sy sarotra ravàna
No tonga mba mamangy,
Dia io fa tsy misangy,
Nanafika ny akaniko ;
Ka tsy ampy naharetan'
Ny ora firehetan'
Ny jiro solitany efa ho lany solika,
Sady nitsilopy...

Ka indro koa tsy nofy
'Reo ora maromaro tonga nivahiny,
'Reo ora fahanginana tamin'ny alina iny,
Fa oram-pahasambarana
Ho entina iadanana
Ho an'ny rehetra...

Kanefa tao dia nisy
Fo tsy mbola tony,
Tsy nahafoy fotoana ho verezina amin'ny tory,
Na minitra iray akory, tamin'ny alina iny.
Fa nentiny nisaina,
Niandry ny maraina
Afaka ora vitsy,
Hiampanga ny aizim-pito
Sarotra ravàna, sady tsy misangy,
Nanafika ny akaniko,
Handroaka ilay fahanginana
Tonga nivahiny
Tamin'ny alina iny.


Vonjisoa Andjanirina
(23 martsa 2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Alina
82 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156