Ivela'ny lasako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fihetsika intsony rahampitso no asehoko,
Hanambarako izay mierin'ny foko,
Na irony lasa tsy foiko ho kosehiko,
Na ireo tomany sy sento, toloko.

Fa rahona kely mba hanalokaloka,
Misy salovana dindon'ny lasako,
Eny ny sariko ho hitanao aloka
rehefa tafiala any anatin'ny fasako.

Tsy soratra intsony no atolotro anao,
Raha misy ny mafy izay mety tsy ho zakako,
Tsy ranomaso no asehoko anao
am(in'n)y fatotra mafy hampahory ny vatako.

Fa erika kely mba handrotsirotsy,
Sy hanampy anao hanadino ny lasa,
Eny ho alefako any anatin'ny nofy,
Ireo mafy niarahana tsy ho voafafa.

Tsy ho hitanao tsony ny endriko faly
sy ny tsikitsiky fahita amin'ny tavako,
Na ny vatako sambatra avy narary,
Na ireo kalokalo mpiloatra amin'ny vavako.

Fa tara-bolana kely no alefako
ho solon'ny tsikiko mba hamangy anao.
Ho solon'ny deran'ny milotra amin'ny lelako
ny taratry ny alina avelako ho anao.

Ireny rehetra izay akon'ny fiainako,
Ny koran'ny fahazazako fahiny,
Ny fahatanorana namehy ny fisainako,
Ny fetran'ny orako ankehitriny.

Ny pejy mirakitra ireny tantarako,
Foiko avokoa mba atolotro anao.
Izao no mba tanjoko sady hanafarako :
tohizo ireo tsara ''navelako ho anao''

Vonjisoa ANDJANIRINA
201745300-18 aprily 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
88 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164