Izaho sy ianao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho sy ianao ilay mpisakaiza tsy nifandao hatram'zay
Niombon-tsoa, niray tomany, niaraka namakivaky
Alon'onja samihafa izay tena nampiray
Enga anie izaho sy ianao, mba ho iray ka tsy ho vaky

Eny ekeko ireo tsy laviko, eny ekeko; nefa kosa
Misy tanjona iray tsy niombonana safidy
Io no lalana iray tsy niarahana nizotra
Lalam-piainana mafonja, sady tena sarobidy.

......

Teo isika no nisaraka ka nanampana ny dia
Nefa kosa ts'hifanary, raha misy diso fanantena
Ny ahy nizotra niankavanana, ianao kosa niankavia
Fa filamatra niraisana: #hampanjaka-FAHENDRENA.

Vonjisoa ANDJA
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
77 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146