Lalan'ny misy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lanitra hatraiza
No indreny fa voatetiko
Nivahiniako tany
Sy nizahako ny hafa
Ankoatra ny hita ety.
Hay tsy foana akory
Ny velaran'habakabaka
Tazako hatrizay
Novinaniako teny
Ampangalana aina

Tsy hitako izay kintana
Mamiratra fijery
Tazako isan'andro
Nifindra lasy angamba
'lay volana mpitatitra
Ny hafatro isan'alina
Fa tambatry ny vintana
Mifono misitery
Miery ilay masoandro
Dia io'lay mangamanga
Mitahiry sy mirakitra
'Reo misitery lalina

Sento vitsivitsy
No teraka tsinahy
Nandritra ireo minitra
Nizorako ny toerana
Onenan'ireo olona
Voasoratra ho ''izy''

''nofinofy'' no ''izy''
Dia natao ny rafitra
Hametrahana azy
Ho isan'ny ''misy''
Tsy nomena akory
Izay hany mba ''safidy''
Fa indry avy ny vintana
Nanolotra azy hery
Mba hifanaraka amin'
Ny fotoana niforonany
Fa rehefa ''nisy'' ny ''hery''
Dia notafiany toetra
''fanahy'' sy ''saina'' anaty
Sy fehi-potoana koa
Nomeny fa voafetra
Ho azony ivelomana
Dia iny fa voasoratra
Ilay ''misy'' ''nofinofy''
Nefa nofin'iza?

Dia iny nisy boky
''voasoratra'' efa ela
Mirakitra tantaran'
Ny velona anankiray

Nozahana tao
'lay ''misy'' nosoratana

Nojerena ny andro
Izay efa voatendry
Hamoronana azy,
Hamoronana ho azy
Boky vaovao.

Dia notendrena ireo
Hanorotorona ''azy''
Hipetraka ao ambohoka,
Tsy ho afaka handà
Tsy ho an'isan'ireo pejy
Mpandravaka ny boky,
Boky efa ''misy''
Tsy fata-dohateny.

Fa rehefa ''nisy'' ''izy''
Nitsaika tao ambohoka,
Natolotra ny velona
Ho tolotra sy anjarany
Tsy ''safidy'' akory
Ho an'ireo naniry
No sendra ka nahazo,
Na kisendrasendra
Na ditra sy hadalana.
Fa tolotry ny vintana,
''misy'' efa ''voasoratra''
Eo amin'ny tantarany.


Ka tsy azon'iza antsaina
Izay fehi-potoana iainany
Misy ireo ''nomena''
Minitra vitsy monja,
Andro vitsy monja,
Na volana nisaina,
Dia iny nofoanana
Ho tsy ''misy'' intsony
Tsy azo notazonina
Dia indreny ''lasa'' ireny
Lasa nefa aiza?

Natao sokajiny avy
Nataony misy lehilahy
Sy misy vehivehivavy,
Nataony ''misy'' endrika
Iray mba nitovizana,
Nataony ''misy'' feo
Sahala ifaman-tarana,
Sy fanahy anaty
Hampisongadina azy,
Nofitafiny toetra
Samy hifandraika
Ho amin'ireo voasoratra
Namoronany ''azy'',
Dia aina iray sahala
Fa tsy mitovy fetra
Fa araky ny anjara.

Vantana sahala
Tsy manana fahaizana,
Tsy manana fananana,
Tsy manam-pahafahana,
Tsy manana harena,
Tsy manana safidy,
Tsy manana anarana,
No natolotra ''azy''.

Dia nomeny ''zo''
Hanana ''safidy''
Ireo notolorany ''azy''
Hamorona ny anarany,


Dia 'zay vao ''tena nisy''
'Lay ''misy'' hatramin'izay.

Fa nomena fahafahana,
Ho afaka ho irery.
Nomena fiaraha- monina.
Nomena masoandro.
Nomena ireo filàna,
Sakafo, fitsaboana,
Fitafy, torimaso,
Tomany, sy hafaliana,
Nomena ny tontolo.
Navela mba hiaina.

Teo no niheverako
Fa samy hafa angamba
Ireo vintana mpanoratra
Ny bokin'ireo velona.

Fa misy ireo nataony
Lafatra sy sambatra
Ho boky be matevina
Tsy misy fahoriana

Misy ireo nataony
Ho sento no mitambatra
Ho zezika milevina
Eo amin'ny fisiany

17 12 2023

Teny an-tany teny
No nahitako fa
Lanitra samy hafa
No hany nanandrify
Ireo ''misy'' tsirairay

Misy ireny rahona
Misy masoandro
Misy koa ny kintana
Misy koa ny volana



Misy noho izany
Ireo fiainana samy hafa
Natolotry ny vintana
Ny ''misy tsirairay

Ohatra amin'reny
Fiainana ankiray
Nalahatry ny vintana
Atolotra ny ''misy''
Ety an-tany ety

Zazavavy iray
Natsipitsipin'ny onja
Iaina sy ivelona
Eny ambany lalana

Tsy nisafidy akory
Ho isan'ireo ''misy''
Ivelona eto an-tany
Fa sitraky ny vintana
Ho voasoratra ho ''misy''
Dia tsy maintsy miaina

Zazavavy iray
Mavomavo lamba
Avy any ambanivolo
No tonga hivahiny
Teto andrenivohitra
Izay zazavavy izay

Mba nanam-paniriana
Sy hetaheta maro
Ny hanana fiadanana
Ny fahazazan'i Sedra

Ireny kosa anefa
No lasa zary sedra
Nasesiky ny vintana
Ho ravaky ny fiainany
Lay hery iray tsy fantatra
Nanorina tontolo
Ny rafitra sy lalana
Hizoran' ito ''misy''
Dia i Sedra sy ny fiainany.

Vao tany ambohoka izy
No efa tsy safidin'
Ireo ray sy reniny
Ho tonga ety an-tany
I Sedra sy ny fiainany.
Toa zaza tsy niriana.

Dia iny fa nandao
Tsy nahita azy akory
Ilay ''misy'' iray voatendry
Ho tokony iangotiany,
Ho tokony ianteherany,
Dia ilay natao ho rainy,
Tsy hita intsony intsony.

Lay reny sisa teny,
Nizaka samirery
Ny ditra sy adalana
Niarahany nanao,
Ka nampisy tsy nampoizina
Ity zaza tsy safidiny.

Ireny sedra ireny
Raha toa ka tsy safidiny
Dia mety ho anjara ve,
Anjara avy amin'iza?
Sa fitia tsy mba voafehy,
Tsy nofehezin'iza?
Sa lahatra voasoratra
Tany ampamoronana,
Dia nosoratan'iza?

Tapitra ny volana
Sivy nosoratana
Hitoerany ao ambohoka
Dia tonga soa aman-tsara
Teny an-tany teny






Dia novelomin-dreniny
Tanatin'ny fitiavana,
Nomeny zo tokoa
Na dia tsy safidiny.
Sakafo, kilalao,
Teny mamy koa
Mandram-pahalehibeny.

Zaza teny Sedra
Nitombo taona, saina,
Tsy nahalala akory
Fa kamboty velon-dray,

Tsy nisafidy akory
Ho isan'ireo misy
Teny an-tany teny.

Nandeha ny taona vitsy,
Iray, roa, telo
Nikiry mafy teny
Ilay reniny mahatra
Nitaiza samirery,
Nizaka ireo sedra
Natoraky ny fiainana.

Tantsaha mpamboly iray
Ambanivolo tany
No hany loharano
Nipoiran'ito ''misy''

Niezaka nioitra
Niezaka nitady
Niezaka namelona
Niezaka nitaiza
Ito tohin'ny ainy

Niroso teny ny ora
Nitombo taona teny
Ilay misy tsy nampoizina
Tsy nampoizin'iza?
Fa efa nosoratan'
Ny vintana ho misy.


Nandeha ny taona dimy
Efa anjara angamba
Fa lavo tsy nampoizina
Ilay reny sady ray
Andry sady zohy
Toky sy fieren'
Ilay lakana vao iainga
Hamakivaky iny
Ranomasimbe
Tsy mbola hita fetra
Zay feno fisedrana

Olona iray
No notendren'ny vintana
Ho mpanamory tokan'
Hisolo ny efa lasana

Mba tsy hahatsapany
Fa nofafan'ny fasana
Ilay namela ny aina
Ho heriny mivelona

Dia iny tokany iny
No zary lasa zohy
Sy akany fialofany
Mandram-pahalehibeny

Nanampy azy hisedra
Ny tany sy ny taona

Nampiditra azy koa
Tanaty fiaraha-monina
Tany ampiangonana
...
'Lay toerana natokana
Ho entina hanomanana
Ny lalan'ny fanahy
Hizorana hatrizay
Rehefa miala ety
Lay lalambe tsy fantatra
Hoe nosoritan'iza?
Hizotra koa hankaiza?
Haharitra rahoviana?

Fa nalentika ao antsainy
Fotsiny ny hoe:
Any no hizotra
Ny fanahiny hatrizay.
...

Nampiditra azy koa
Tanaty fiaraha-monina
Tanatin'ny sekoly

Fiaraha-monina faharoa
Nanampy nanabe
Ny tena sy ny saina
Hifangaroharo
Amin'ny ''misy'' samihafa.
Nampianatra azy hanoratra
Zavatra samy hafa.

Dia nahatsiaro sambatra
Teny ilay ''misy''
Na dia tsy nisy ray,
Na nosoloina reny,
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
103 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161