LASA IANAO - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Manjombona ny tava, misento koa ny fo
Mandalo sy miaina ity sengondra ity
Sarotra ny hino sy hanaiky koa
Nefa izao no misy dia mionona satria:
Anjara efa voatendry iainanao izao
Tantara efa voasoratra tsimaintsy nolalaovina
Sengondra efa voatondro mba handehananao
Lalana voasoritra tsimaintsy nodiavina
Ka dia ranomaso arahintsentosento
Sy kalompahoriana no sisa mba fivetso
Ka zary tononkira mitambatra ho veloma
Sy solombonikazo izay hany fanehoana.
Fa tena banga anao ny izao tontolo izaoko
Tsy misy mahafeno; k'horaisiko ho adidy
Ny manoratra ho tantara ny misy anao nataoko
Ho boky volamena sady sarobidy
....
Anjara efa voatendry hozakaiko izao
Fiainana mangidy voarafitra ho tantara
Tantara mahonena niaraha-nilalao
Ity segondra mainty nandraisatsika anjara
des 2020
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 28/12/2020
Mpamangy : 497
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO
Ito soratro ito