Mamiko ny miaina (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko ny ainaKa mamiko ny miaina,
Tsy hilàko an'iza n'iza hampitamby fahasambarana,
Tsy fa fiainako io, ahiko tsy hitambarana.
Fa firifiry moa ireo nilaza ho sakaiza,
Raha nidofotra ny samboko, taiza ireny taiza?
Moa nisy nahatsiaro sy sahy nanolo-tanana
Ireo nilokaloka sy nilaza ho tena namana ?
Nefa aho dia tsy very
Fa mafy sy mahery,
Ny ora nisambarako toa tsisy faly tamiko,
K'hireharehako anio fa ny tenako no sampiko.
Ny fiainako no lanitro,
Izaho no Andriamanitro,
Tsy angatahako hoby na iandrandrako tehaka,
Ka hifaliako foana, hoe miady aho fa tsy reraka.
Amiko ny aina,
Ka mamiko ny miaina.
Ho tiako sy andrianiko,
Ianao ry aina mamiko.
07.02.2026
Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Mpakafy:
Vonjisoa-Andjanirina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/08/2026 08:57
