Mamiko ny teny (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko ny teny ka mamiko miteny
Fa ny teny anie ka aina
Hitempon’ny aina eo ambony taratasy,
Fa ra anaty tena
Mampiaina firenena
Mampiray antsika ho samy Malagasy.

sy entina ifandraisana:
fa lalam-be niraisaina
nanafangaroharo ireo sori-paladia,
ka mamy sady fia.

Amiko ny teny ka mamiko miteny,
Fa felan-draozy manitra toa ravin-taratasy:
ampy hitantarana fitiavana ao am-po,
Ampy hanoratana tantaran’olon-droa,
Ampy hampitana fahendrena koa, dia…
Hifanekena voady sy hirariana soa.

Tsy varatra na basy,
Fa sabatra maranitra mandrasarasa fo raha tsy voasaina lalina,
Fa jiro ihany koa, mahavakivaky ny alina ho enti-mampahery
Ilay aina sady reny.
Ny teny!

Amiko ny teny
Ka mamiko miteny,
Ho aina sady hasiko
Ny teny malagasiko.

Vonjisoa ANDJANIRINA
06-06-26
--------
Rohy:
Sokajy : Teny
5 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0275