Mandalo (2) (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitoetra izato tany, fa mandalo ireny teny:

Ny segondra iray mandalo,
Tsy azonao tazonina amin'ny saina mbola reraka.
Ny felana malazo,
Tsy azonao tazonina amin'ny finiavanao mikolo.
Ny nofimamy rava,
Tsy azonao tazonina amin'ny finiavanao hatory.
Ny manao mandao mandao,
Tsy azonao tazonina amin'ny fonao te hifikitra.

Ny masoandro iray baliaka,
Vetivety monja dia dimbiasan'alokaloka.
Ny orana miraraka,
Fotoana vitsy monja dia hitsahatra sy maina.
Ny ratra anatinao,
Fotoana vitsy koa dia ho sitrana sy adino.
Ny tsiky anatinao,
Tsiky foana ihany, dimbiasan'alahelo.

Ny ravina malazo, avy dia tapaho.
Ny namana mandao, avy dia ialao.
Ny taona iray mandalo, tonga adinoy.
Ny nofimamy rava, avy dia soloy.

Fa ratra no entin'io, raha ezahanao fikirina,
Fa ny tena fanafody : ny fahaizana mamo
Sy mamarana ny dindony.

Vonjisoa Andjanirina
(20.05.2026)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0129