Miaraka aminao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny lalako iny na sarotra sy mafy,
Izay feno fisedrana no sady enjehin-drafy,
Raha miaraka aminao manjary fifaliana,
Lasa zary maizina ny hazo fijaliana.

Na inona tafiotra manafika eny an-dalana,
Migafy mampijaly, manaisotra hasambarana,
Dia io ilay fifaliana, akaiky tsy nandao,
Toa mora teo ilay ady, hay teo akaiky ianao.

Raha tonga izany sento, ka mafy ny manjo,
Be ireo fahoriana nandratra izany fo;
Dia ny mangidy indrindra no teliko ka laniko.
Dia tsroako ho mamy f’ianao no miaraka amiko.

Vonjisoa ANDJANIRINA. (martsa 2023)

Sento miampita
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
369 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116