Mifohaza (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFOHAZA
Zandry a!
Fotoana angamba izao, tsy famantaran'ora intsony no jereko
Fa ny akoholahy fambara d'izany f'efa reko,
Maneno fanindroany ...
Any ivelany any,
Renao 'ngamba izany e? Ny andro mihamazava ka
Raha renao ihany zoky dia... Etsy mifohaza!
... Ampy angamba izay ny ora nolaniana sy nariana tamin'ny tory
Fa etsy mitsangana dia... Aza kamo akory!
Mety mangatsiaka ny ao ivelany ao ka omano 'zany saina,
Iatrika ny androany, ...

Aza kamokamo izany,
Sokafy anie ny maso dia mba tazano kely e,
Ireny ny hazavana, misesika sy miditra ny varavarakely,
Ireny koa milaza fa tonga ilay maraina,
Baliaka ilay masoandro nandao antsika omaly,
Ka etsy mitsangana dia miezaha ho faly
Iatrika ny androany, ...

Zandry ô,
Omeo ny tananao dia etsy ianao ho tantanako,
Ny farafaranao sy ny ondana ondanako,
Aleo hijanona eo, ho an'ny alina ihany.
Azon-tsika atao ny mijanona eto ihany,
Fa ny nofinofitsika nandriatra ny alina iny,
Mila antsika miainga hanatanteraka azy.
...
Ny hazavana kelin'ny tarabolana iny,
Notsiriritinao ny alina tontolo.
Io ny hazavana bé, azonao iamparana.

'ndeha aingao ny tongotrao fa handroso isika.
Avela ivalona any ireo torimaso maro,
Tsy avelatsika hanjaka amin'ny fiainatsika
Izay sitrapon'ny alina.
Ka mifohaza zandry a! Hiainga isika izao.

Vonjisoa ANDJANIRINA
13-02-2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
109 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151