Mirary soa (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIRARY SOA
Handeha tokoa ianao?
Eny! Izaho mo olon’iza no afaka hamefy,
Na hanolotolo-kevitra na handrefindrefy
‘Zay hany lalam-piainana
Sitrakao hizorana.

Raha tsy telinao ny mamiko,
Raha toa tsy sitrakao ny iara-dàlana amiko, dia…
‘Ndeha soava-dia! Ary matokia!
Fa raha toa ianao ka lasa
Dia… hiverina aho anio, hamotika sy hamafa
Ireo izay dia-tongotro niaraka nizotra,
Tamin’ny dianao. Sy ny lasanao.

Esoriko tsy ho eny ireny alaheloko te hahita anao,
Ireny ranomasoko manjohy ny sentonao
Tsy hisy intsony izany aorian’izao,
Ireny tenimamiko, mpampahery anao.

Raha toa hanimba ny pejin’ny diariko
Aza, ho ataoko ihany,
Ny handrovitra ny pejy misy anaranao
Na kalo ireo na sary.
Eny, mararirary ihany, nefa holeferiko.

Ny alina aza ho hafarako, tsy hitondra nofy intsony
Izay mbola misy sariko, ho any anaty ivon’ny
Torimasonao.
Ny anjara iangaviako, hamafa ireo tantara,
Raha toa voasoratra any ny misy ilay sampanana
Ihaonatsika indray

‘Ndehana ka tohizo, raha toa handeha tokoa,
Sy mirary soa!
Ataoko antsitrapo sy farina fitiavana,
Raha toa ianao ho aterina.
Fa mety tsy ho eto intsony aho rehefa ianao miverina
Hiova lalan-kafa
Tsy misy anaranao, na ny sarinao, toy ireny lasa.
Any, misy ny hasambarako tsy ho azonao antsaina.
Misy koa ny tanjoko tsy azonao alaina.
Any ilay fitiavana mahasambatra ahy. Ka mirary soa!
Vonjisoa ANDJANIRINA (24-01-2025)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
161 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 15/02/2025 16:57
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153