Misaotra (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra

Misaotra anao nanaiky ho misin'ny tantarako,
Misaotra anao nanolotra ny toky tamin'ireny,
F'izaho no hanafarako,
Ataoko tsotra kely,
Tsy adinoko ny tsiro izay natolotrao,
Ireo sary nofinofy napetrakao ampoko,
Ny soa navelanao,
Isaorako tsy foiko!

Misaotra anao ho felana nandravaka ny akaniko,
Misaotra anao nandrehitra ilay afon'ny fitiavako,
Izay tsiro tena mamiko
Natolotrao rahavako,
Nasianao vatofantsika hiorim-paka fatratra
Hiorina ao am-poko, ilay fo anatinao,
Ekeko ho tonga lafatra
Ilay fitiavanao.

Na tsy eto intsony ianao dia tsy ho adino velively,
Ireo soa natolotrao, ireo dia-tsika mamy,
Manahaka tantely
Sy lavitra tomany,
Eny ankehitriny dia mbola hitsikiako,
Ny mahatsiaro anao, na dia efa lasana,
Dia raiso akia ity lisiko
Apetrako eto ampasana.

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
207 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0407