Nofy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any anatin'ny alina any
Misy fiainana finaritra
Misy fiainana mangidy
Misy iray fahasambarana
Misy iray koa fahoriana
Izay andraisanao anjara

Any anatin'ny alina any
Aizimbe sy fahanginana
Feno torimaso maron'
Ireo nofo marobe
...
Ireo nofy marobe
Karazam-pianana faharoa
Tsy ahatsapan' ny nofo jaly
Any anatin'ny alina any
...
Any indray no ahitako
Fiainana efa lasa maro
Tsy ho hitako intsony
...
Any indray no ahitako
Ilay fiainam- pahazazana
Efa nafenin'ireo taona
Dila efa nodiaviko

Ny taona vitsi-pahazazako
Ny vao nahiditra antsekoly
Ireo karazana lalao
Niarahana amin'ireo sakaiza
Ireny ditraditra kely
Nananarana fahiny
Ireny tsikin-njaza bodo
Ireny ranomaso mora
Ireny gafigafy maro
Ireo taraina indraindray
...
Voatahiry angamba ireny
Ka averin'ny tsy fantatra
Any anatin'ny aliko any
Any anatin'ny nofiko any
...


Any indray no ahitako
Ilay olona iray
Ilay voalohan'ny fitiavako
Samban'ilay nahalalako
Ilay teny atao hoe tia
Ilay tena atao hoe tia
Efa tsy hitako hatry ny ela
Efa adinoko hatry ny ela
Teo anivon'ny fiainako
...
Izany nisy izany koa
Mbola averin'ny tsy fantatra
Any anatin'ny aliko any
Izay rakotra aizim-pito
Nefa lasa ahitàko
Irik' hazavana kely
Manazava indray ny aliko
Manazava indray ny nofiko
Manazava indray ny nofoko
Fa mbola misy ireny lasa
Mbola azo nisambarana
Izay averin'ny tsy fantatra
Any anatin'ny alina any
...

Any koa no ahitako
Ireo sakaiza marobe
Efa ela tsy hita intsony
Mbola indreny indray miverina
Miara-mifanapa-mofo
Miaraka manandra-peo
Ny fanevam-pinamanana
Nahatsapako ny hamamiana
...

Any anatin'ny alina any
Rava ny elanelan-tany
Fa mifankahita foana
Eny, fa ireo fotoana
Efa ela no nivalona
Mbola averin'ny tsy fantatra
Any anatin'ny alina any
...

Misy hoavy asehony any
Misy lasa averiny any
Misy jiro manazava
Anaty fiainana tsy fantatra
Misy tanjona tsy tratra
Tratra anatin'ny alina any
Misy olona efa maty
Miaina anatin'ny alina any
Misy antsoantso koa
Misy fifaliana koa
Misy ranomaso koa
Misy nofinofy maro
Eny, misy marobe
Tsy fahita andavan'andro
Fa any anatin'ny fahanginana
Any anaty aizim-pito
Any anatin'ny alina any
Misy fiainana hafa mihintsy.

....
--------
Rohy:
172 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139