NY FAHAFATESAKO - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Raha lalaam-pahafatesana no indro efa hitako
Lalampahafatesana tsy didiko fa didiny
Tsmaintsy ekoko zany ny hamarana ny ditrako
Dia ny hisaraka aminao hofaranako tsy fidiny
Raha lasana aho ka hody indray andro-any
Raha lasana ka maty hiala eto an-tany
Ianao no malahelo tsy maintsy misy izany
Mahereza anefa ka aza mitomany
Fa zah raha lasa any tsy hankaiza akory
Fa navela hiala sasatra, nasaina mba natory
Fara androko io ka aza malahelo
Mivavaha ko mba tsy hisy izany helo
Ka ny fahafatesako tsy hangatahako andro
Iriako mba ho maizina malaky izany atoandro
Fa ny kapoakako fisotro,mangidy sy afero
Ka raha lasana aho ka maty, ny nofoko atero
Raha lasana aho ka maty dia izao no mba hevero
Irio ny ranomaintiko mba hamelovelo
Ka tadidinao, f'izaho lay nody mandry
Fa ny anjaranao mahaiza ianao mahandry
Veloma re ry havako, mandrakizay raha tazako
Veloma mandrampihaona.
NY FAHAFATESAKO
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 01/09/2019
Mpamangy : 216
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO