Ny fitiavako anao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voleko voninkazo ny efitry ny foko
Hahatamana anao, rehefa ianao mandalo
Ovaiko tsikitsiky ireo endrika toloko
Hataoko mahaliana ny hira sy ny kalo

Hiezaka aho hanagona zava-tsoa sy mamy
Hifampizaratsika sy harosoko ho anao
Dia ho tsapanao fa mitombo hatrany hatrany
Ilay fitia ampo avelako ho anao

Asiako fefy mafy tsy hidiran'olonkafa
Ilay efitra natokako, hampiantranoana anao
D'ianao d'ianao irery tsy misy mahafafa
No honina amin'ny foko navelako ho anao

Eo anivony eo kosa no harehatro
Ilay afon'ny fitia natokako ho anao
Eo ilay endrikao, eo ianao no hatrehako
Sady hilazako fa tena tiako ianao

Sedraiko anaty memy ny fo hitia anao
Sedraiko mba ho mafy hahazaka izay midona
Mba ho fitia mafonja no havelako ho anao
Dia ny fitia rehetra avy ao ampon'i Anja.

Vonjisoa-Andjanirina
--------
Rohy:
312 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203