Ny FIVERENAKO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza asiana fahatsiarovana
Aza asiana famantarana
Ilay sampana-nisarahana
Ilay dia samy hafa zotra
Tsy maintsy ifanadinoitsika

Fafao ireo diatongo-tsika
Sasao ilay tana-nifandray
Aleo haniry fandrotrarana
Lay fara-toerana nihaonana

Mba tsy hisy iray tadidiko
Ireny lasatsika ireny
Fa ndrao mimpody aneritreritro
Ka indro aho hisaina indray
Ireny lasatsika ireny

Ka hiverina hitondra tody
Efa nomaniko hatry ny ela
Ka ho avo zato heny
Ny tamberina ho anao
Nefa tsy ho zakanao
'zay avaliko amin'izany

Fa fitia tsy fantatro isa
Ho takalon'ny fitiavana
Toy ny voa iray nafafy
...
Ary tsiky sy ny hehy
Ho takalon'ny hafaliana
'zay nifamahanantsika
...
Hamamiana tsy hita lany
No hasetriko ny oroka
Nifanaovan-tsika ireny
...
Ary ranomaso lalina
Tsy mbola nisy toy izany
No avaliko aminao
Ho setrin'ireo alaheloko
Noho fitaka sy lainga
Tamin'ireny lasa ireny


Amin'izany ianao no hahatsapa
Fa ny taona maro matsy
Tsy hahafafa na dia iray
Fa vao mainka hitombo kosa
Toy ny voa iray nafafy
Ireny toetra sy fanahy
Natolotrao iainatsika
Ary amin'ny ora hiverenako
No indro hijinjanao indray
Ireny lasa rehetra ireny

Fa n'inon'inona ho teneniko
Dia tsoriko mazava
Fa homaniko sahady
Ny valisoa sy valifaty

Ary ataovy antsaina fa
Tsy zakanao ny fiverenako

19 01 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Tody
103 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145